- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato-Boeny : Dahalo 11 maty voatifitry ny miaramila

Ambato-Boeny : Dahalo 11 maty voatifitry ny miaramila

Ny Zoma 28 septambra teo, dia nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny Fokontany Manongarivo ao amin’ny Kaominina ambaniviohitr’i Sitampiky  Distrikan’Ambato-Boeny. Lasan’ny dahalo tamin’izany ny omby 127. Rehefa lasa ireo mpanao ratsy, vao niantso mpitandro ny filaminana ny mponina; izay tsy sahy nanohitra ireo dahalo. Ireto farany izay mitam-basy. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nahitana miaramila valo avy  amin’ny Tafika Malagasy sy ny fokonolona. Marihina fa misy ireo andia-miaramila mitambatra  manao hetsika fampandriam-pahalemana amin’iny faritra iny. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka nandritra izany, dahalo 11 no maty voatifitra. Basim-borona telo (03) sy poleta vita gasy iray no azo tany amin’ireo malaso. Malaso enina (06) no azo sambo-belona ary natolotra ny zandary hofotorana. Taorian’izay, dia tafaverina tamin’ny tompony ny omby 126 voaroba, fa  ny omby iray  kosa maty novonoin’ny dahalo. Nandritra io fifampitifirana io, dia mampalahelo fa maty voatifitra ihany koa ny mpanara-dia iray.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici