- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAdabomalandy-Maevatanàna : Renim-pianakaviana iray voatifitry ny jiolahy enina nirongo basy

Adabomalandy-Maevatanàna : Renim-pianakaviana iray voatifitry ny jiolahy enina nirongo basy

Enin-dahy nitondra basim-borona telo, no nanafika ny raim-pianakaviana iray, tao  Adabomalandy, fokontany Bemarivo Andrefana, Kaominina Maevatanàna faharoa, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina. Araka ny fanazavana azo avy tany an-toerana, lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny omby  efatra niampy vola maromaro. Voatifitra teo amin’ny sorony kosa ilay Ramatoa ka naratra vokatr’izany. Nalefa tao amin’ny CSB2 Ambodimadiro Maevatanàna ka no zahana izy ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Ny fokonlona sy ny mpikambana amin’ny dinam-pokonolona no nanao ny fanarahan-dia,  tafaverina ny omby rehetra tany atsimon’ Antanimbary, fa ireo dahalo kosa tafaporitsaka nandritra ny fanenjehana azy ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici