- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Kamiao voasakan-dalana, voatifitra ny mpamily

Maevatanana : Kamiao voasakan-dalana, voatifitra ny mpamily

Dahalo manodidina ny 20 lahy any ho any, nitondra basy, no nanafika fiarabe iray tao Bekabaro, ao amin’ny kaominina Marokoro, any amin’iny distrikan’i Maevatanana iny, ny voalohan’ny herinandro teo. Vokany, voatifitra ny mpamily saingy mbola afa-nitsoaka. Vola manodidina ny telo hetsy ariary eo kosa no latsaka ary lasan’ireo mpanakan-dalana. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo no nisehoan’ity fanakanan-dalana ity, raha ny fampitam-baovao azo. Kamiô mpitatitra mpiantsena, handeha hihazo an’i Marokoro ity lasibatry ny fanafihana ity. Araka ny fanazavàna azo dia efa nametrahan’ireto tontakely sakana ny lalana. Afa-nidify izany ihany anefa ilay fiarabe, ka tsy nisalasala intsony ireto mpanafika nitifitra avy hatrany. Nandalo teo amin’ny lohan’ny mpamily ny bala saingy mbola afaka namily ny fiara ary tafatsoaka ilay vela-pandrika ilay fiara nentiny. Io vola voalaza etsy ambony io no tao anaty kitapo ka latsaka nandritra ny fitsoahana, ary dia lasan’ireo olon-dratsy. Nampandrenesina avy hatrany moa ireo zandary taorian’izay. Ireto farany kosa avy hatrany dia nilatsaka teny an-toerana nanao savahao ny manodidina, hikarohana ireo olon-dratsy. Fa ny alin’io fanafihana io, dia fantatra fa nisy taxi-brousse maromaro voatora-bato, raha niala kely an’Ambondromamy, ka nihazo ny lalana mianavaratra iny. Noho izy ireo nanao lahara-manjoy anefa dia afaka tamin’izany fikasàna hanakan-dalana izany ihany. Tsy nisy araka izany ny voaroba tamin’izy ireo. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na ny naratra. Ny fiara sasantsany, araka ny fampitam-baovao azo, no nahitàna fahasimbana kely vokatry ny tora-bato.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici