- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : « Taxi » nandona olona, avy eo nitsoaka

Ankorondrano : « Taxi » nandona olona, avy eo nitsoaka

Omaly hariva, mpiasa iray avy eto amin’ny orinasa Midi Madagasikara no naratra  rehefa  nisy fiara taxi 4L nandona  azy, teo amin’ny « rond point » avy eny Masay iny. Nitondra bisikileta ity namana mpiara-miasa ity, tamin’io fotoana io avy any Masay ary  handeha hamonjy ny asany amin’ny alina, taty amin’ny orinasa. Efa tafatsofoka tao anatin’ny « rond point » izy, araka ny filazany no nipoitra ilay « taxi » avy any Ivandry, izay tsy « priorité » akory fa avy hatrany dia nifaoka azy. Nipitika lavitra mihitsy izy sy ny bisikiletany, saingy mbola nisy fahatsiarovan-tena hiarina sao ho voahosin’ny fiara hafa avy aoriana indray. Tonga taty am-piasana ihany izy na dia nandraingiraingy aza : naratra sy nivonto teo amin’ny tongony ary mbola tsy fantatra izay nahazo azy any anatiny any. Nezahin’ireo mpiara-miasa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana moa izy. Ny nampalahelo tamin’ny zava-nitranga, dia tsy mba nijery akory izay nahazo ity voadona ity  ilay nahavanon-doza fa vao mainka aza nampitombo ny hafainganam-pandehany nirifatra nitsoaka. Dia izany tokoa ve ny hoe manao kely tsy mba mamindro ? Satria bisikileta dia tsy raharahaina na dia efa fantatra izao aza fa « priorité », ary mpitondra bisikleta ka na voadona aza tsy misy dikany ? Iza tokoa moa no tsy mikaikaika, indrindra fa ireo mpampiasa làlana, eo anatrehan’ny toetran-jiolahimboto ataon’ireo mpamily taxi sasantsasany eto an-drenivohitra ? Ary manaporofo tanteraka ireny ity nahazo ny namanay ity. Marihana, fa nisy nahatsikaritra ny laharan’ity fiara ity ka mba hanamora ny raharaha, dia miangavy ny mpamilin’io taxi io handray ny andraikiny. Na izy hanatona aty aminay, na ho an’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici