Tsy hitan’ny olona intsony ny hatao amin’ny tahotra noho ity valan’aretina pesta eto Toamasina ity, hany ka izay ambaran’ny olona rehetra izao hisorohana ny fitrangany sy tsy hiparitahany amin’ny fianakaviany, dia saika ataon’ny maro avokoa. Isan’izany ny fampiasana ny ravina kininim-potsy sy ny ravina “eucalyptus” dorana ho fandroahana ny tsimok’aretina sendra tafiditra an-trano. Vokatra io fandorana ravin-kazo an-trano io, dia trano dimy no may kila forehitra tao Tanamakoa alina, saingy tsy nisy ny aina nafoy na izany aza, noho fifamonjena teo amin’ireo mpiara-monina. Araka ny fanazavana azo, dia teo am-pandoroana ireo ravin-kazo tao an-tranony ity fianakaviana iray omaly alina tokony ho tamin’ny 07ora dia tapaka tampoka ny jiro. Voatery nivoaka nividy labozia ny ray aman-dreny tao an-trano, ka zaza ihany no tao an-trano nefa efa teo ambony fatampera ireto ravin-kazo hiarovan-tena amin’ny pesta. Niredaka tampoka anefa ireto ravin-kazo izay tena mora mirehitra raha maina, nefa amin’ny maha-zaza ny tao an-trano sy amin’ny trano vita amin’ny fitaovana mora mirehitra, dia nifindra tamin’ny rindrina falafa sy tafo ravimpotsy ny afo ka niitatra tamin’ireo trano manodidina. Nanao ny ezaka rehetra na tery sy saro-dalana aza ny miditra tamin’ity tanana may ity namonjena ireo trano mbola azo novonjena ny sampana mpamonjy voina sy afon’ny kaominina tsy nampiitatra izany, nefa mbola trano dimy izao hatrany no may tao Tanamakoa ity. Manao antso vonjy amin’ireo malala-tanana sy ny fanjakana ireto fianakaviana tra-boina miisa dimy ary ahitana olona tsy manan-kialofana sy fitafiana ary sakafo am-polony.
Malala Didier