Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny fokontany Ambohimanga, tanana somary mihataka ny renivohitra, fa mbola ao anatin’ny kaominina Antsirabe voalohany. Jiolahy tsy latsaky ny folo mirongo fiadiana no nanafika ny tanana, ny alin’ny Alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Basy sy antsy no nentin’izy ireo nanafika, tokantrano valo be izao no nasesiny tsirairay norobaina ka ny efatra tamin’izy ireo dia mpivarotra avokoa. Volazan’ny loharanom-baovao avy amin’ny fokontany, fa nanapoaka basy in-telo ry zalahy nandritra ny fanafihana izay naharitra ora iray teo ho eo. Ireo tranom-barotra no nasesiny mialoha, ny vola no notakiany vantany vao tafiditra ny trano ry zalahy miampy fandrahonana. Ankoatr’izay noraofiny avokoa ny entam-barotra zaka bataina rehetra. Aorian’ny tokantrano iray voaroba, mitondra olona iray ireo jiolahy asainy manondro ireo olona manan-katao eo amin’ny tanàna ka rahonany hotapahin-doha ity farany raha vao mandà. Fa isan’ireo tena nokarohin’ireo jiolahy fatratra ny mpitam-bolan’ny fiangonana iray tao Ambohimanga tao. Nisy tamin’ny manodidina no niantso vonjy sy nitsoka kiririoka, saingy io tokantrano io indray no notafihan’ireo jolahy avy teo.
Andry N.