Nandoro tanàna indray ireo dahalo 17 lahy, lasan’izy ireo ny omby iray tanàna. Tao amin’ny fokontany Maroabaly, Kaominina Maevatanàna faharoa, no nitranga’izany, ny talata 03 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany hariva. Norobain’ireo malaso tamin’izany ny omby iray tanàna. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’ny sefom-pokontany Atoa Rakotondratara Felix, dahalo 17 eo ho eo nirongo basy roa no nanafika sy nandroba teo amin’io fokontany io, ka lasa tao anatin’izany ny omby iray tanàna. Nodoran’izy ireo ny tanàna. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona amin’izao fotoana anoratanay izao. Manoloana izay indrindra, dia manao antso avo amin’ny fitondrana ambony ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Maevatanàna faharoa , Atoa Rakotoalifera Aimé, mba hijerena ifotony ny tsy fandriampahalemana, izay tena nahazo vahana tanteraka nandritry ny 24 Jolay sy hatraty amin’ny 03 oktobra, ny tato amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa.
Ratantely