- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFasan’ny karàna : Trano 99 kilan’ny afo

Fasan’ny karàna : Trano 99 kilan’ny afo

Trano  eo amin’ny 99  eo ho eo, no lasa tapa-porohana, aman-tapitrisany ny fahavoazana, ary olona manodidina ny 300 eo ho eo no tsy manan-kialofana. Izay no vokatry ny hain-trano goavana  nitranga teny amin’ny Fasan’ny karàna, omaly maraina. Saika trano vita amin’ny hazo avokoa ireo hotohoton’ny afo ireo, raha ny fanazavana azo. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina mahery kely tany ho any no nanomboka niredareda ny afo. Niainga avy tamina tranona mpivarotra hani-masaka iray tao an-toerana izany. Mpivarotra, izay raha ny fantatra hatrany dia nandrehitra afo, saingy namela izany irery tao an-tranony nony avy teo. Tsy hay izay zava-niseho fa izy niverina avy tamin’ny alehany no nahita ny trano efa nidona-tsetroka sy nivoaka lelafo. Angamba nianjera ilay fatana na ihany  koa nisy zavatra mora nirehitra nianjera tao anatin’ny afo. Na dia teo aza ny ezak’ireo mponina teny an-toerana namono ilay afo tamin’ilay trano nipoiran’izany, dia poa toa izay dia niitatra ny afo. Nahazo ny trano nifanila taminy, nandevona ny manaraka sy ny hafa teo amin’ny manodidina. Voalaza ihany koa fa antony iray tena nampiitatra ity hain-trano ity ny fisiana zavatra nipoaka mafy, izay noheverin’ny rehetra fa mety ho zavatra nitahiry lasantsy, na io kodiaran-droa na daban-tsolika. Tetsy andanin’izay ihany koa moa, na dia tonga teny an-toerana aza ireo mpamonjy voina fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, dia somary nanano sarotra ihany ny fidiran’izy ireo hamono ny afo, noho ny hateren’ny làlana. Hany ka tany amin’ny valo ora maraina tany , adiny dimy taty aoriana vao tena voafehy ny afo, izay efa nandevona ireo trano efa ho an-jatony latsaka. Na izany aza anefa, tsy nisy aina nafoy na ny olona naratra nandritra izany hain-trano mahatsiravina izany. Tonga nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici