
Samy manana ny anjara birikiny entina miady amin’ity valan’aretina pesta ity ny tsirairay. Raha sarom-bava ny an’ny sasany, fitondrana am-bavaka sy asa sosialy kosa no nosafidian’ireo mpino ao amin’ny Fmfoi, izay tarihin’ny Apôstoly Benjamina, entina hiadiana amin’izany. Araka izany dia fantatra nandritry ny fampiantsoana mpanao gazety natao omaly, teny Andrefan’Ambohijanahary fa hifady hanina ireo pasitera rehetra ao amin’ity fiangonana ity, hanomboka anio ka tsy hifarana raha tsy amin’ny fotoana izay hanambaran’ny fanjakana, fa « avotra ny tany » ary foana ilay valan’aretina. « Raha misy asa sosialy, toy ny fanadiovana ny toeram-ponenana sy ny manodidina, dia tsy ho diso anjara amin’izany izahay mpino » hoy hatrany ity mpanorina ny Fmfoi ity. Fa fotoana iray ihany koa izy io nitondran’ny Apôstoly Benjamina fanamarihana mahakasika ireo feo mandeha ny amin’ny fikasàny hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena amin’ny 2018. « Efa voahosotra hitarika vahoaka ho any an-danitra aho, hoy izy, fa tsy hitarika vahoaka ety an-tany (…). Ka noho izay dia tsy mieritreritra ny hirotsaka izany mihitsy ny tenako». Fa ankoatr’izay, dia fantatra fa mankalaza ny faha-20 taona nijoroany ity fiangonana ity, niaraka tamin’ny onjam-peo izay naoriny. Ity farany izay efa re amin’ny faritra fito manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao, raha teto an-drenivohitra ihany izany tamin’ny nanombohany. Entina hankalazana izany, dia hisy ny hetsika maromaro hokarakaraina, izay tsy mivaona amin’ny fitoriany ny filazantsara, ka ny 15 oktobra izao no hanombahana izany ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
m.L