
Tafapetraka eo anivon’ny « préfecture »-n’Ambositra ny « cellule de veille ». Hentitra arak’izany ny fampiharana ireo fepetra noraisin’ireo manampahefana isan-tokony ho fisorohana ny valan’aretina pesta, nanomboka tamin’ity herinandro ity. Marina fa ny eto Ambositra sy ny faritra Amoron’i Mania, dia mbola tsy nahitana soritra aretina.
Fanentanana. Arak’izany efa mandeha ny fanentanana isan-karazany ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka, ataon’ireo onjampeo misy eto an-toerana, mikasika indrindra ny fanentanana momba ny fampahafantarana ny valan’aretina pesta sy ny fomba fisorohana azy. Anisan’izany ny fanamafisana ny fahadiovana eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy amin’ny fanesorana ny lobolobo sy ny rano miangona ary ny fampiasana ny lava-pako ary mipaka amin’ny fokontany rehetra misy eto an-tanàna, fiaraha-miasan’ny vahoaka miaraka amin’ny kaominina. Entanina manokana ireo fokontany be mponina, toy ny fokontany Alakamisy, Iajaky- tsenan’Asabotsy. Ho an’ireo “stationnement” toy ny ao Alakamisy sy ao Iajaky, dia hisy ny fiaraha-mientana miaraka amin’ireo mpianatra ho zandary. Aoriana izany, dia hisy ny fisavana isan-tokantrano hataon’ireo manampahefana miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana ho fampiharana ireo fepetra.
Fitilina. Eo anivon’ny tobim-pahasalamana araka ny fanazavana nataon’ny “préfet”-n’Ambositra, dia misy ireo fitiliana na ny “teste rapide” hatao amin’ireo marary ; izay handeha hanao “visite”. Hisy ny fanaraha-maso akaikin’ny fahasalamana an’ireo vahiny mandalo ka mipetraka amin’ny hotely. Manantena arak’izany ny “préfet”n’Ambositra mba hisian’ny fiaraha-miasa ny rehetra ho fisorohana ny valan’aretina peste.
Anastase