- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbano Antsirabe : Olona tokony hanefa sazy any am-ponja, mampihorohoro ny mponina

Ambano Antsirabe : Olona tokony hanefa sazy any am-ponja, mampihorohoro ny mponina

Mihorohoro ny mponina, ankoatra ny asan-jiolahy izay mihamahazo vahana ao amin’ny kaominina Ambano tato ho ato izay, dia voalaza fa misy jiolahy efa rain-dahiny tokony hanefa sazy any am-ponja no mampitaraina ny mponina fa mivezivezy ao an-tanana. Raha ny fanazavana voaray, jiolahy efa fanta-daza loatra sy mpamerin-keloka ity nambaran’ny  mponina fa mpampihorohoro azy ireo ity. Ao amin’ny Tanana  antsoina hoe Ambolotsaratelo kaominina ambanivohitra Ambano no nahitana ity gadra mirenireny ity. Raha ny fantatra hatrany, tokony hanefa sazy any am-ponja izy io tamin’ny asa fanafihana vitany miaraka amin’ny namany, volana vitsivitsy lasa izy.  Nisy nanatitra tamin’ny  moto teo an-tanana anefa  io jiolahy io. Hatramin’ny nahatongavany teo amin’io Tanana io, dia voalaza fa tsy mitsahatra ny mampihorohoro ny mponina no ataony ka hitarainan’ireo fokonolona amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Efa nisy rahateo hoy ny solontenan’ny fokonolona ny fitarainana nalefa amin’ny mpitandro filaminana ka miandry izay mety ho tohiny ny mponina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici