- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Sprinter roa nahafaty olona roa

Lozam-pifamoivoizana : Sprinter roa nahafaty olona roa

Na tetsy Ankazobe na tetsy Antanifotsy, dia samy nahafaty olona avokoa ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiara fitaterana. Ny voalohany, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro no nivadika tany anaty hantsana ny taxi-brousse iray. Teo amin’ny RN4 (PK14+700), teo amin’ny fokontany Kiva. Vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandreman’ny mpamily no nitarika ny loza raha araka ny fanamarihan’ny zandary izay nijery ifotony ny zava-nitranga teny an-toerana. Olona iray no maty tsy tra-drano ary enina kosa no naratra mafy. Voamariky ny zandary tsara, fa Sprinter ny marik’ilay fiara fitaterana. Ny lozam-pifamoivoizana faharoa kosa indray, dia tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo amin’ny PK 97+ 800 no nitranga. Mitovy ihany ny antony, dia ny tsy fitandreman’ny mpamily. Raha ny fanazavan’ny zandary izay nanokatra ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nitarika fahafatesana ity mantsy, dia nisongona kamiao kinanjo tsy tafiditra tsara tao anatin’ny làlana, no nitarika ny loza. Tsy fitandremana izany. Olona iray no namoy ny ainy ary valo hafa naratra mafy. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina izany no niseho, ny alarobia teo. Miteraka adihevitra hatrany ny hoe: ny saofera tokoa ve no tsy mitandrina sa io karazam-piara io no matanjaka loatra amin’ny làlana eto amintsika. Ny zava-misy mantsy, dia saika Sprinter hatrany no mitera-doza eny amin’ny lalam-pirenena.  Miezaka ny olona ny miady hevitra eny anivon’ny tambajotra sosialy, saingy tsy mety mipoitra ny valiny tena izy. An-kavitsiana rahateo ny siantifika no maneho hevitra eto amintsika kanefa izany no tena andrasan’ny maro mba hanampy amin’izay mety ho fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny tompon’ny fiara, ny mpandeha fiara ary ny fanjakana. Hatreto aloha, dia lasa korontan-tsaina ho an’ny olona ny fandehanana Taxi-brousse amin’ny ankapobeny ary indrindra ny Sprinter.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici