- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Gadra mandoa vola dia afaka mivoaka manafika

Ambatondrazaka : Gadra mandoa vola dia afaka mivoaka manafika

Roa hetsy ariary, tamin’io fotoana, io no nifanarahan’ity gadra, izay mbola eo am-pamitàna ny saziny mihitsy, tamina mpiandry fonja iray tao amin’ny Fonjan’Ambatondrazaka, dia afaka mivoaka izy, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary.

Misy raha tsy milamina ao ! Vao haingana tokoa no nahabe resaka ny fahavakisan’ny fonjaben’Ambatondrazaka, dia izao nahitàna tranga hafa izao indray. Fantatra ary, araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, fa misy famoahana gadra an-tsokosoko ao amin’io toerana, rehefa mandoa vola ity farany. Vaky barara ity resaka ity, taorian’ny trangana fanafihana izay niseho tao Ambodiatafana, ao amin’ny kaominina Antanandava, ny faramparan’ny volana septambra lasa teo. Tokantrano iray no notafihana jiolahy roa tamin’io fotoana io. « Notereny hamoaka vola ny tompon-trano ka rehefa tsy nahazo izany izy ireo dia novelesiny tamin’ny kibay ny lohan’ny vadin’ny tompon-trano ka naratra. Ny omby miisa sivy tao am-bala avy eo no nentin’izy roa lahy ireo »,  hoy ny fampitam-baovao. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary tompom-paritra, nanatanteraka ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy ela dia voasambotra ireto farany. Tamin’ny fanadihadiana azy roalahy no nahafantarana fa gadra mbola manefa ny saziny tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ny iray tamin’ireo olon-dratsy. « Mandoa vola amin’ny mpiandry fonja iray izy mba hahafahany mivoaka ary isan-kerinandro izy no tsy maintsy manao « pointage » any an-tranon’io mpiasam-panjakana io », hoy hatrany ny fampitam-baovao. Raharaha roa  sosona be izao, araka izany, no tonga tampoka teo anatrehan’ireo mpanao fanadihadiana : ilay fanafihana sy ity famoahana gadra an-tsokosoko ity. Raha ny mikasika ilay voalohany dia fantatra fa efa natolotra ny Fampanoavana ireo roalahy ka nampidirina am-ponja vonjimaika. Mahakasika kosa ilay faharoa, araka ny fampitam-baovao hatrany, dia « rehefa nandre an’io ireo tomponandraikitry ny fonja sy ny mpiandry fonja sasantsasany dia samy hafa ny filazany. Tao no nilaza fa efa nahavita sazy io olona io. Tao koa ny nanambara fa gadra nandositra io. Samy tsy nisy taratasy fanamarinana azy avokoa anefa moa izany ». Na izany na tsy izany anefa dia efa nahazo baiko avy tamin’ny Fampanoavana ny hanokatra famotorana momba io raharaha gadra mivoaka io (voaporofo tao ny mbola maha-gadra azy) ka efa eo am-panaovana izany indrindra amin’izao fotoana izao ny zandarimariam-pirenena.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici