Nandriaka indry rà teo Ankorondrano omaly hariva. Lehilahy iray, izay manodidina ny 35 taona teo ho eo no naratra mafy rehefa voadonana fiara kely iray. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia tao anatin’irony faritra fiampitàna irony ity lehilahy ity no nofaohin’ilay fiara. Tany amin’ny 20 metatra tany ho any ity farany vao tafajanona, raha tany amin’ny 30 metatra tany ho any kosa ilay rangahy voadona. Mafy ny fifandonana izay hita taratra teo amin’ny fitaratr’ilay fiara. Vokatr’izay, naratra mafy ilay rangahy voadona : tapaka ny tongony ary vaky ny lohany. Nitsirara efa tsy nahatsiaro tena intsony izy no nentin’ny fiara iray sendra nitsetra sy namonjy azy tany amin’iny toeram-pitsaboana. Nanaraka azy tany ihany koa ilay mpamily nahadona azy, raha najanona teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay fiara. Tazana teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy niezaka nandamina ny fifamoivoiana moa ireto mpitandro filaminana.
m.L