Nanao tapim-bava, mitovy tanteraka amin’irony novidiana tamin’ny farmasia irony. Manao akanjo mitovy, tsy mifanalavitra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana izay hanao asa fanadiovana. Nodondomina ny trano iray izay sady toeram-pivarotana ihany koa. Nivoaka teo amin’ny varavaran-kely ny tompon-trano ary nanontany izay tadiavin’ireo olona sy ny anton-diany. Dia nilaza tsy am-pihambahambana ireo efa-dahy fa mpiasan’ny fahasalamana ary nalefa hanondraka fanafody entina hamonoana ny bibikely ao amin’ilay toerana. Velon-tsiky ny tompon-trano ary nihevitra avy hatrany fa mba nisy fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra izany mahakasika ny firongatry ny pesta. Kinanjo vao nisokatra ny varavarana dia basy avy hatrany no nanambanana azy. Tsy nisy resaka firy fa nibosesika niditra ireo efa-dahy ary nandroba ny vola sy ny entana tao an-trano. Vita izay dia nitsoaka toy ny fanaony mahazatra. Mazava ho azy fa manara-baovao koa izany ny jiolahy ary mampanaraka ny paik’adiny amin’ny zava-misy. Voalohany aloha dia manamora ny asan’izy ireo ny fanentanana ny olona hampiasa takom-bava. Amin’ireo olon-dratsy dia vita aloha izay ny ampahany amin’ny asa dia ny fanakonana endrika izany. Manaraka izay, noraisiny ny andraikitra dia ny fanondrahana DDT ny tokantrano sasany, saingy fanafody sandoka fotsiny no nararaka dia ny basy sy ny bala izany. Lasa kisarisary sisa no entina hitaterana ny zava-misy satria ny zava-dratsy tsy noeritreretina dia misy tena miketrika andro aman’alina ary manararaotra ny zava-misy izay tokony hampaory ny firenena kanefa mbola misy manararaotra ihany. Mikorontana tanteraka ny sain’ny olona manoloana ny fiparitahan’ny pesta ary mitady vahaolana amin’izany ny tsirairay mba hiarovany ny ainy sy ny fianakaviany. Heverina fa nandeha tamin’izany ny lalan-tsain’ireo mpanao ratsy mba hoentiny manatontosa ny fanafihany. Mila mailo indray izany ary mila mampiseho karatra koa ny mpiasan’ny fahasalamana tena izy, rehefa tena hanao ny fanondrahana ny DDT, raha hisy koa aza izany.
D.R