Isan’ny olana mahatonga ny aretina pesta tsy voafehy eto Toamasina ny fisisihan’ireo havany haka ny fatin’ny havany matin’ny pesta. Taorian’ilay tranga niseho tao amin’ny hopitaly Morafeno (hopitaly manara-penitra teo aloha) nandritra ity ramatoa be iray maty noho ny pesta nahazo azy, ny alakamisy hariva teo dia mbola nitrangana sakoroka hafa indray koa tamin’ity hopitaly ity nandritra ny fikasan’ireto havan’ny maty haka ny fatin’ny havany. Voatery nakana mpitandro ny filaminana mihitsy ny raharaha vao nilamina, satria nameno ny efitram-pitsaboan’ny hopitaly ny fianakavian’ity matin’ny pesta haka ny havany halevin’izy ireo, fa tsy eken’izy ireo hoe ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny BMH nanao izany noho tahotra “very faty”. Nandritra ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha no nararaotra nandevina ity olona matin’ny pesta ny alakamisy tao amin’ny hopitaly Morafeno ity. Tsy nisy aloha ny zavatra simba nandritra izao sakoroka izao, na efa nisy ihany aza ny fifanosehana tao amin’ny hopitaly, sy ireo fianakavian’ny maty tafiditra tamin’ny efitrano nisy ilay razan. Ankoatra izay dia mandeha koa ny tsaho fa malaina miditra ny sampam-pitsaboana ny pesta eto Toamasina ireo mpitsabo, izay nambaran’ny komity misahana ny valan’aretina fa tsy marina, satria ankehitriny aza dia misy ireo orinasa sy ny syndikan’ny mpitsabo ary ny minisiteran’ny fahasalamana hanampy isa ny mpitsabo hanamora ny fitsaboana sy fikarakarana ireo marary.
Malala Didier