- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpivarotra volafotsy nendahina mpamily bajaj, l voaroba ny 400 000...

Toliara : Mpivarotra volafotsy nendahina mpamily bajaj, l voaroba ny 400 000 ariary sy rojo volamena teny am-bozonany

Ramatoa iray handeha hody nandeha bajaj niaraka tamin’ny zanany vao telo taona monja no voatafika, ka very vola efatra hetsy ariary niampy rojo volamena teny am-bozonany, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany tany ho any, tao Amborongony Toliara. Tara fodiana hariva avy nivarotra izy mianaka ireto no nandray « taxi bajaj ». Rehefa tamin’ny toerana maizina sy mangina anefa, dia nilaza ho lany solika ilay mpamily kodiaran- telo, ka natosika mora ilay fiara nentiny no sady niantso olona tamin’ny findainy. Telo na efatra minitra taorian’izay, hoy ny niharam-boina, dia indro roalahy mody mamo nibeda an’ilay ramatoa sady naka an-keriny ny paoketra nisy ny vola. Tsy afaka niantso vonjy ity vehivavy voaroba satria voatapim-bava, ary rehefa niezaka nanohitra izy dia nodarohan’ireo nandroba azy tamin’ny vatan-kazo ka safotra. Mpivady hamonjy fodiana sendra nandalo tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny fanafihana no taitra sy gaga raha naheno zazakely mitomany tanaty haizina amoron-dàlana. Rehefa natonina dia vao mainka ankona izy mivady raha nahita an’ity ramatoa torana mitsirara amin’ny tany. Rehefa nahatsiaro saina ity renim-pianakaviana azon-tsampona ity, dia nitantara ny zava-nanjo azy. Araka ny loharanom-baovao azo farany dia mbola karohina fatratra amin’izao ilay mpamily bajaj sy ny namany roa lahy nandroba mpivarotra volafotsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici