- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Kibôta nivadika, olona iray maty, iray hafa naratra mafy

Anjozorobe : Kibôta nivadika, olona iray maty, iray hafa naratra mafy

Nandriaka ny rà ny sabotsy lasa teo tao an-tampon-tanan’Anjozorobe tao. Ireny kibôta ireny no nidona tamin’ny andrin-jiro, avy eo nivadika, ka namono olona iray ary nahatapaka tanan’ankizy iray. Ny tolakandron’ny sabotsy teo no niseho ny loza teo Ambodimanga, raha ny angom-baovao azo. Nitondra olona enina ity kibôta ity, avy any an-tampon-tanana, nidina nihazo ny lalam-pirenena fahatelo iny. Tsy fantatra mazava izay niseho fa raha araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia somary nandeha mafy ihany ity fitaovam-pitaterana ity. Ny lalana anefa fidinam-be. Voalaza fa niezaka niala lavaka ny mpamily tamin’io fotoana io. Tsy voatana intsony araka izany ny familiana. Nivoaka ny lalana ilay fitaovana ary nidona tamin’ny andrin-jiro, avy eo nivadika. Mafy ny fifandonana ka nahapotika ireo olona rehetra tao anatin’ilay kibôta. Ny iray tamin’ireo, lehilahy 46 taona, izay monina ao Anjozorobe ihany, no maty tsy tra-drano. Zazalahy 13 taona kosa no tapa-tanana vokatr’izay loza niseho izay. Ratra madinika kosa no nahazo ireo sasantsany tamin’ireo mpandeha tamin’ity fitaovam-pitaterana. Tetsy andanin’izay moa dia potika tanteraka tsy nisy noraisina ity farany. Nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny hôpitaly kosa ireo naratra sy ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy namoy ny ainy. Nidina teny an-toerana nanao ny fizahana ifotony sy nanokatra ny fanadihadiana kosa ireo zandary misahana iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici