Fitadiavam-bahaolana azo tsapain-tànana no tokony hiompanana fa tsy fametrahana paik’ady ambony latabatra fotsiny sy fanatsaràna serasera pôlitika. Nomarihan’i Tahina Razafinjoelina izany. Io farany dia mpitarika ny antoko Tia tanindrazana. Naneho ny heviny izy momba ny ady maika amin’ny pesta. Voalohany indrindra dia mila hita ireo olona voa ary tsaboina. Mazava hoazy fa ao anatin’izay ny fiarovana avy amin’ny alàlan’ny fanadiovana. « Raha ny soso-kevitro dia ahato mandritry ny telo andro ny fifaneraserana mivantana eto an-drenivohitra sy ireo tanàna voakasika rehetra. Izany hoe hatao ‘ville morte’ ka tsy misy afa-tsy ireo voan’ny aretina sisa no mivoaka mamonjy ny toeram-pitsaboana. Telo andro – izay tsara raha mitontona faran’ny herinandro mba tsy hisy akony mivantana amin’ny fitadiavana – satria io faharetana io no fetran’ilay valan’aretina » hoy ny tenany nanazava. Notohizany fa tokony tsy hafenina ny marina momba ireo olona voa na nahiana ho voa mba tsy hampihanaka azy amin’ny manodidina. Tahaka izay niseho teny Ankadilalapotsy ary koa ny razana izay nalevina miafina teny Ambohimailala. Nomarihany tao anatin’ny fanehoan-keviny fa tsy misy tanjona politika na hifanilika andraikitra no hijoroany fa kosa noho ny fahatsapana fa lehibe ny loza mitatao amin’ny firenena. « Porofon’izany ny fampihatoan’ny Air Seychelle ny zotrany, ny MSC izay mandrara ny fiasan’ireo tatsambo Malagasy ary vokatr’izany dia tatsambo 2000 isa no tsy afaka miondrana. Lehibe ny vokatr’izany amin’ny ekonomia Malagasy. Eo koa ny PNC an’ny air France izay manomboka mitaky ny tsy hisian’ny sidina intsony hakaty amintsika. Maro koa izao ny masoivoho izay tsy manome visas ho antsika intsony. Ry zareo atsy komoro moa dia naka fepetra amin’ireo fifaneraserana amintsika » raha araka ny tatitra nataony. Mila fepetra lehibe tokony ho raisina haingana mba tsy hampihanaka be ny aretina intsony : raha tsy mianatra ny ankizy nefa ny ray aman- dreniny miasa amin’ny « zone franche » ohatra, tsy ho voa ihany ve ? Mbola marobe ny olona no tsy mino akory ny fisian’ny aretina nefa izany no maika mampihanaka azy : maro no mbola mamonjy lanonana sy fety, maro ny mbola mampiasa tsy misy fiarovan-tena akory ny fitateram-bahoaka. Ny mpiasam-panjakana indray, fantatra fa na dia nisy zanaka mpiasan’ny ministera zao aza voa, tsy mba hita tao anaty antontan’isa akory izany. Tsara homarihina, hoy ihany Tahina Razafinjoelina, fa 50%-n’ny eropeana dia matin’ny pesta tamin’izany fotoana. Noho izany, ny ain’ny Malagasy aloha no tena zava-dehibe mila avotana. « Raha sanatria isika tonga amin’ilay hoe ‘isolation de frontières’ dia mety hiteraka krizy ekonomika mahatsiravina : ny fialan’ireo mpandraharaha vahiny miasa sy monina eto, ny tsy fidiran’ny vola vahiny, ny tsy fisian’ireo entana ilaina na penurie » hoy ny tenany izay maniry mafy tsy hisian’izany ka antony nahatonga azy manentana fiaraha-mientana dieny mbola fotoanany.
D.R