- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Petite vitesse » : Efa-dahy nandeha scooter sy nitondra basy...

« Petite vitesse » : Efa-dahy nandeha scooter sy nitondra basy nanafika mpivarotra sono

Efa eo am-panidiana tsena ilay mpivarotra fitaovana fanamafisam-peo no tonga tampoka ny olon-dratsy nandeha moto. Nanao taingin-droa isaky ny moto izy ireo ary tsy nanala ny saron-doha nandritra ny fanafihana. Ny harivan’ny alakamisy teo no nitranga izany asa  ratsy izany. Mbola nifanaretsaka ny olona saingy tsy nanakana ny mpandroba izany. Nambanana basy ny mpivarotra ary nasaina namoaka ny vola rehetra nisy tao. Mitentina dimy tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy raha araka ny vaovao ao tamin’ny mpitandro ny filaminana. Nirifatra nitsoaka nizotra tany Isotry izy ireo ary heverina ho nivoaka tany Ampefiloha tany. Raha ny tsikaritra dia mora loatra amin’ny jiolahy amin’izao fotoana ny manao fanafihana raha vao misy basy fotsiny izy ireo. Minitra vitsy monja dia efa vita ny asany ary ahazoany volabe an-tapitrisany matetika. Midika izany fa tsy maintsy miompana bebe kokoa amin’ny fiparitahan’ny basy ny tanjona raha te-handresy ny jiolahy eto an-drenivohitra. Ankoatra izay dia ny fanampiana ny isan’ny mpitandro ny filaminana mipetraka eny amin’ny faritra mena ka miandry antso avy amin’ny mpandrindra fotsiny dia midina an-tsehatra (éléments pré-positionnés).

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici