- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Voalaza fa voan’ny « pesta », hita faty tanaty tatatra

Besarety : Voalaza fa voan’ny « pesta », hita faty tanaty tatatra

Lehilahy iray, manodidina ny 35 taona teo ho eo no hita faty tao anatin’ny tatatra, omaly maraina tetsy Besarety. Isan’ny nampisahotaka ny rehetra tamin’ity zava-nitranga ity dia voalaza fa toa hoe voan’ny pesta izy ireo tamin’ny fahavelomany, ary dia izao hita faty navalan’ny rano izao. Nanao ny ataony indray mantsy ny fiakaran’ny rano, izay toy ny hita mahazatra isaky fotoanan’ny fahavaratra, teny amin’iny faritra Besarety iny omaly, taorian’ilay orambe ny alin’ny alatsinainy teo. Ary toa efa tsy zava-mahagaga teo amin’ireo mponina intsony ny mahita vatana mangatsiaka mitsikafina anaty tatatra. Olona nazeran’ny onjan’ny rano mahery dia mahery vaika tokoa izy ireny mazàna ka tsy tafarina intsony ary dia maty an-drano. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nampisahotaka ny mponina ny fahitàna io razana io. Olona fantatry ny rehetra eny an-toerana mantsy ity rangahy hita faty ity, izay voalaza fa irony mpanamboatra « briquet » mandehandeha sy mitety tanana irony. Ny nahitàna azy farany, iray andro talohan’io, araka ny filazan’ireo mponina dia izy toa marary izany. Izy tenany mihitsy aza no nilaza tamin’io fotoana io fa hoe « ohatry ny mararin’ny pesta » izy. Ary dia izao izy niafara tamin’ny fahitàna ny vatany mangatsiaka tanaty tatatra izao. Pesta sa fahafatesana tsotra ? Tsy mbola voafaritra mazava ny mahakasika izany hatreto. Na izany na tsy izany aloha dia efa lasa horohoro eo amin’ny mponina tokoa ity resaka fiparitahan’ny valan’aretina pesta ity. Hany ka raha vao hafahafa ilay olona ka nitarika tany amin’ny fahatesana tampoka dia tondroina avy hatrany fa voan’ny pesta. Efa nantsoina avy hatrany ary nidina teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy nijery ny zava-nisy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny BMH, naka ny razana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici