Nitombo iray indray ireo zandary lavo an-tanim-piadiana. Tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny, ny faran’ny herinandro lasa teo, zandary iray avy nanara-dia omby very no tsy popoka niaraka tamin’io namany nony niverina. Rehefa natao ny fikarohana dia hita tsy lavitra ny tanana antsoina hoe Bekoranga, ny vatana mangatsiakan’ity maherin’ny fo ity. Didy antsy teo amin’ny tendany no voalaza fa nahafaty azy. Efa tsy hita teny aminy intsony ihany koa ny fitaovam-piadiana nentiny, ny basy sy ny bala. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao azo dia nisiana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana iray tao amin’ny distrikan’Andilamena. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ireo zandary sy ny fokonolona ka tsy ela dia hita ireo omby, izay efa tany amina kaominina iray tany amin’ny distrikan’Amparafaravola. Teny an-dalam-piverenena no nifanehatra tamin’ireo dahalo am-polony maro ireto mpanara-dia ary dia velona teo ny fifandonana. Tamin’io fotoana io, raha ny fampitam-baovao azo hatrany no tsy nahitàna intsony io zandary io. Nentina namonjy tobin’ny zandary moa ny vatana mangatsiaka an’ity mahery fon’ny firenena ity, izay noraisin’ireo tompon’andraikitra ambony, sivily sy miaramila tany an-toerana, alohan’ny hampiakarana azy aty an-drenivohitra. Tato anatin’ny herinandro vitsy izay dia fantatra fa telo ireo zandary namoy ny ainy teny an-tanim-piadiana, ny voalohany tany Maevatanana, ny faharoa tany Betroka, ary izao ity tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro ity.
m.L