- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Valo lahy nitondra basim-borona nanafika tobim-bolamena

Maevatanàna : Valo lahy nitondra basim-borona nanafika tobim-bolamena

Valo lahy tsy nisaron-tava nitondra basim-borona no nanafika tobim-bolamena, tao Antafian-drazaozy, fokontany Antafia,Kaominina Maevatanàna faharoa, ny Alatsinainy 16 lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina. Lasan’ireo jiolahy ny  vola iray hetsy Ariary, ary Ramatoa efa lehibe no voadaroka, ka naratra mafy. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’Atoa Ramarson sefom-pokontany ao Maevarano, nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana maranitra ireo mpanafika. Ankoatra ireo vola, dia noroban’izy ireo koa ny fitaovana fiasana rehetra izay zakany tao an-toby. Voalaza fa tsy nanapoaka basy ireo olon-dratsy, fa ny fitsofana kiririoka no nasesin’ny eran’ny tobim-bolamena, ary nandeha nitsoaka nizotra ho any Atsimo ny dian’izy ireo. Fa Ramatoa iray moa no naratra voadaroka nanadritra ny fanafihana,ary efa nahazo fitsaboana aty Maevatanàna eny hopitaly.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici