- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Kayak » : Frantsay iray maty an-drano tao Nosy-Be

« Kayak » : Frantsay iray maty an-drano tao Nosy-Be

Teratany frantsay iray no namoy ny ainy ary hatreto dia ny fanaovany « kayak » no heverina ho nitarika ny fahafatesany. Hita faty niaraka taminy ihany koa ny malagasy iray nanara-dia azy tamin’io karazam-panatanjahan-tena io. Nisy nampandre ny zandary, ny amin’ny tsy fahitana popoka ny olona roa dia ilay frantsay antsoina hoe Grand Franco C.R, 85 taona, sy ilay malagasy antsoina hoe Tombo Assany. Nandeha namonjy ranomasina ary nitondra ny lakana famoy (kayak) no nahitàna azy ireo farany. Andro hariva io, manodidina ny tamin’ny efatra ora sy sasany. Rehefa tsy tafaverina ny alin’iny dia nanomboka nikorontan-tsaina amin’izay ny olona nipetrahany. Natao ny fampandrenesana ny zandary ka iny alina iny ihany, dia natao ny fikarohana rehetra ny moron-dranomasina sy ny manodidina ny ranomasina izay nahitàna azy ireo farany. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, raha araka ny tatitry ny zandary, dia hita ilay vazaha izay efa tsy nisy aina intsony. Teo amin’ny tora-pasika Baobab no nahitàna ny razana. Nitohy ihany ny fikarohana ny marainan’iny ary tamin’ny fito ora no nahitàna ilay malagasy namany. Faharendrehana ambony ranomasina no nambaran’ny dokotera izay nijery ifotony ny razana. Raha ny marina dia efa nisy didin-dalàna izay nivoaka, taona vitsy lasa izay, mahakasika ny fandraràna ny fivezivezen’ny sambo manomboka ny mitataovovonana amin’iny fari-dranomasina oseana indiana iny. Ny antony dia satria manonja be ny ranomasina ary tsy mifidy vanim-potoana. Noraisina izany fepetra izany noho ny fisesin’ny sambo izay rendrika tamin’izany fotoana. Azo raisina ho tsy fitandremana ihany ity zava-nitranga farany tao Nosy-Be ity raha oharina amin’ny fepetra izay efa noraisin’ny fanjakana. Marina, fa fanatanjahan-tena izay mila onja ny « kayak » ary izany rahateo no tena filalaovana azy, saingy matoa olona roa no indray namoy aina, dia efa loza mihatra tanteraka ny fampiasana ny ranomasina amin’ny alina. Na izany aza, satria nisy ain’olona nafoy ary roa no isan’izany tao anatin’ny alina iray, dia nisy fanadihadiana nosokafan’ny zandary.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici