- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Tambajotrana mpisoloky, mivarotra tany amin’ny alalan’ny taratasy hosoka

Ankorondrano : Tambajotrana mpisoloky, mivarotra tany amin’ny alalan’ny taratasy hosoka

Miisa dimy izy ireo no voasambotry ny pôlisy ekônômika teny amin’iny faritra Ankorondrano iny ny alatsinainy lasa teo. Olona izay voarohirohy ho ao anatina tambajotra mpanao taratasy hosoka amin’ny fivarotana tany. Telo amin’ireto olona voasambotra ireto no vehivavy, raha ny fanazavàna azo ary misy ny tanora vao erotrerony amin’izy ireo, misy koa anefa no efa goaika antitra. Mbola nahitàna karazana taratasy hosoka maromaro tany amin’ireto olona ireto, toy ny karampanondro sy taratasy mombana tany isan-karazany, taratasim-bola sy ny maro hafa. Araka ny fampitam-baovao azo avy anivon’ny polisim-pirenena dia niainga avy tamina fitoriana olona iray nividy tany, ary nahatsapa fa “misy zavatra tsy mazava mahakasika” azy io ny raharaha. Napetraka ny velam-pandrika ary dia izao tratra izao tokoa fa mpisoloky izy ireo. Raha ny famotorana natao azy ireo, dia efa maty paika tanteraka ny tetik’adiny entiny misoloky izay tratrany amin’ireo olona hividy tany. Mitily izay tany eny ho eny, tsy dia kitihan’ny tompony loatra izy ireo. Avy eo mitsirika izany eny amin’ny sampan-draharahan’ny fananantany, maka ny mombamomba ny tompony. Manomboka eo amin’izay ny tetik’ady faharoa : ny fanamboarana karam-panondro hosoka amin’ny anaran’ny tena tompon’ilay tany, ny fakàna ny “situation juridique” ary ny fandefasana filazàna amin’ny gazety sy maro fa hoe misy tany amidy. Efa maro ny roboka tamin’izany fisolokiana goavana izany, saingy tsy naha-izy azy ireo ity indray mitoraka ity. Efa naharay vodiondrim-barotra ireto mpisoloky ireto ary saika haka ny ambiny izay mitentina eo amin’ny 68 tapitrisa ariary eo ho eo no izao tra-tehaka izao. Fantatra ihany koa fa efa rain-dahiny tanteraka amin’ny asa fisolokiana izy ireo, ary samy efa nigadra noho izany resaka izany avokoa. Araka izany dia manentana hatrany ny pôlisy ho an’ireo olona mikasa ny hividy tany, mba ho mailo tanteraka , hanamarina sy hanao famotorana lalina izany tany izany fa efa tsy kely lalana tokoa ireo mpanao ratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici