Tranga hafakely no niseho afak’omaly ka nanaitra ny mponina tany Andonaka Ambalavao. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana dia lehilahy iray manodidina ny 47 taona eo no voalaza fa maty notolomin’ny mpamosavy. Avy niandry faty tany Ambararata hamonjy fodiana alina ity raim-pianakaviana efa mamomamo no notaingenan’ny mpamosavy teny an-dalana. Naheno lehilahy nitaraina mafy ny teny amin’ny manodidina nisehoan’ny loza, saingy noho ny tahotra dia tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny olona. Noho ny naraina anefa ny andro dia talanjona ny rehetra raha nahita an’ity rangahy naratra mafy tsy afa-nitsangana intsony sady feno mangana ny vantany, ka avy hatrany dia nentina namonjy tobim-pahasalamana sady niezaka nitantara ny zava-nihantra taminy ity niharam-boina efa reraka dia reraka. Vokatry ny ratra sy ny daroka ary vono sy fampijaliana nanjo azy tamin’ny alalan’ny vely karavasy dia nindaosin’ny fahafatesana ity lehilahy. Raha ny fanampim-panazavana voaray hatrany, dia fony fahavelon’ity rangahy namoy ny ainy nilaza ny tsy matahotra velively mpamosavy. Sendra ny taolana anefa ity lehilahy voalaza fa mpody alina matetika ity, tamin’ity indray mitoraka ity, ka nanaraka hatramin’ny ain-dehibe mihitsy, ary nijalijaly vao tapitr’aina, satria tsy nampoizin’ny maro ny fiafaran’ny fahasahiany.
Eric Manitrisa