- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversALAOTRA MANGORO : Vaky ny lalana mampitohy an’Analanjirofo sy Alaotra Mangoro

ALAOTRA MANGORO : Vaky ny lalana mampitohy an’Analanjirofo sy Alaotra Mangoro

Diabe namakivaky tendrombohitra sy lohasaha  tamin’ny alalan’ny moto cross sy Quad  no nataon’ny loholon’i Madagasikara Atoa Rabenony Andrianirina niaraka tamin’ny ben’ny tanana avy any Ambohimandroso Amparafaravola,  ny olon-tsotra, ny mpitandro ny filaminana, ny mpasam-panjakana,   izay nahatratra tany amin’ny olona 15 tany ho any, ny faha-13 oktobra 2017 lasa teo, hihazo an’Analanjirofo . Raha lalan-kely fandehanana an-tongotra no nisy teo aloha dia nanolotra vola ho an’ny fokonolona ny loholon’i Madagasikara hanaovana asa tana-maro hanamboarana ny lalana mba ho azon’ny moto sy ny kibota haleha, mba  hamoahana ny vokatra. Raha niainga tamin’ny 11 sy 30 minitra tao Tanandava  Imerimandroso ny delegasionina dia tany amin’ny 7 ora sy sasany tany ho any no niditra ny kaominina Sahatavy, Distrikan’i Vavatenina. Vahoaka marobe hatrany no nitsena teny amin’ny lalana sy ny tanana nandalovana noho ny fahavakisan’ity lalana ity,  nisaotra ny loholon’i Madagasikara.N anambara ny ben’ny tananan’i Sahatavy  fa faly izy ireo ary nisaotra ny loholona Atoa Rabenony Andrianirina amin’izao ezaka goavana nataony izao, satria afaka mifamezivezy ny vahoaka eo amin’ny famoahana ny vokatra ary hisy ny fampandrosoana isaky ny kaominina. Mbola manano sarotra  anefa ny fampiasana ny lalana noho ny fisian’ny fiakarana  mideza  sy ny orana  mirotsaka any anaty ala  ary  ny lavadavaka  noho ny tsy fahaizan’ny fokonolona nanamboatra ny lalana. Eo ihany koa ny mbola tsy fisian’ny tetezana amin’ireo rano sasany ka manahirana ny fiampitana aminy raha fahavaratra. Azo atao  tsara  anefa ny manatsara izany,  hoy ny fanazavana, raha misy ny hoenti-manana  sy ny firaisan-kinan’ny rehetra.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici