- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Raikitra ny fanadiovana faobe

Moramanga : Raikitra ny fanadiovana faobe

Niray hina ny mpitondra teto Moramanga fa natao ho andro tsy fiasana ny zoma 13 oktobra 2017. Niara-nanadio ny tanàna avokoa izy ireo izay notarihan’ny loholon’i Madagasikara sy ny solombavambahoaka mirahalahy ato anatin’ny distrkan’i Moramanga. Fifanomezan-tanana nifanaovan’ireo mpitondra no nahafahana nanao ny fanadiovana ary norarahana fanafody mamono bibikely avokoa ny toerana rehetra vita fanadiovan tato an-tampon-tanan’i Moramanga. Ady hiaraha-manana ny ady amin’ny petsa, hoy ireo mpitondra, ary samy nandray ny andraikiny nifanandrify azy avokoa ny olona rehetra, niainga tamin’ireo mpianatra madinika ka hatramin’ny miasa sy ny mpivarotra. Tsy hijanona hatreo ity fiaraha-mientana amin’ny fanadiovana ity fa hametraka fotoana ary hotoizana hatrany. Nizara roa ny tontolo andro raha fanadiovana ny maraina ary fitaomana sy fandraofana fako ny tapany hariva. Firaisan-kina teo amin’ny maha samy Malagasy no niseho teto Moramanga ny tontolo andron’ny zoma.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici