- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tsy mbola nahitana soritr’aretina pesta. Na izany aza, mihorohoro ny...

Toliara : Tsy mbola nahitana soritr’aretina pesta. Na izany aza, mihorohoro ny mponina noho ny tsaho miely

Araka ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra manoloana ny resabe sy ny tsaho miely mampirohoro ny mponina, hatreto aloha dia mbola tsy tafiditra ao anatin’ny faritra atahorana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta i Toliara. Na izany aza dia nandray fepetra ireo tompon’andraikitra ka ankoatra ny fanazavana sy fanentanana momba ity aretina ity dia nisy ny fametrahana « barrière sanitaire » amin’ireo toerana fidirana sy fivoahana ny tananan’i Toliara (RN7, RN9, Seranan-tsambo, Seranam-piaramanidina). Omaly, mba hisorohana an’ity areti-mandoza ity sy ny mety ho fiparitahany dia nisy ny fandrarahana sy fanondrahana fanafody famonoana bibikely teny amin’ny oniversite Maninday. Tsiahivina fa araka ny antontan’isa farany navoakan’ny  BNGRC, ny17 oktobra tamin’ny 8ora alina, dia olona 74 no matin’ny pesta, 805 kosa ny trangan’aretina ka ny 595 amin’ireo dia pesta aretin-tratra, 210 ny pesta atodintarimo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici