Ny alahady maraina teo, tao amin’ny Fokontany Betsioky Somotse, Kaominina Soahazo, Distrikan’i Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana, lehilahy iray no maty tsy tra-drano notifirin’ ireo Dinabe tao an-trano fonenany. Tsy vitan’izany ihany, araka ny fitantaran’ny havan’ny maty, fa lasan’ireto folo lahy mitonona ho Dinabe ireto ny entana rehetra sarobidy tao an-trano. Rehefa nofotorana lalina kosa ireo nahavanon-doza dia nilaza fa mamo ary namoaka vava tsy nanisy hajany ny Dinabe sady mbola niteny ratsy azy ireo ilay raim-pianakaviana ka izany no antony nahatonga ny famonoana azy. Manoloana an’ity vono olona ity dia tsy nanaiky ny havan’ny maty satria tsy zon’ireo mpikambana ao amin’ny Dinabe ny mandatsaka ain’olona ary tsy voaraikitra ao anatin’ny fitsipika sy fepetra mifehy ny Dinabe koa ny mamono olona. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia miezaka mandamina ity raharaha ity ny tompon’andraikitry ny Dinabe any an-toerana amin’izao, ka hokabariana ary hosaziana ampahibemaso ireo mpikambana Dinabe nahavanon-doza. Raha ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia hampanonerana omby miisa 32 amin’ny fianakavian’ny maty noho izany ireo nandatsaka aina ilay lehilahy. Tsy mbola fantatra anefa hatreto na hanaiky an’io onitra io ny havan’ny maty na mbola hampakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ao Toliara. Ho hita eo ary hotanterina eto amin’ny gazety hatrany ny tohiny sy ny fivoaran’ ity raharaha mafana ity.
Eric Manitrisa