Nanomboka ny alarobia tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina, ka naharitra telo andro sy roa alina, dia tapaka ny herinaratra tao Mangarano II manontolo, tonga hatrany Tsarakofafa, noho ny fipoahan’ity “Transformateur” manana tanjaka 160 Kva mpitsinjara herinaratra tany an-toerana.
Raha ny fanadihadian’ny Jirama, dia tsy mipoaka fahatany ny fitaovana tahaka ity nisy tao Mangarano II ity, fa vokatry ny fivoahana herinaratra be loatra tsy mifanaraka amin’ny herinaratra tokony hosahaniny, satria araka ny vaovao nangonina tany an-toerana, dia isan’ny tanàna tena mpangalatra herinaratra ity fokontany ity. Na izany dia niantso vonjy tamin’ny biraon’izy ireo tao Antananarivo ny talen’ny Jirama Toamasina Atoa Veloson Leonard, ka nahazo “Transformateur” manana tanjaka 250 Kva izay tonga ny zoma maraina teo. Io omaly zoma io ihany, dia efa napetaka ity fitaovana vaovao vao tonga ity, ka omaly fiafaran’ny tolakandro ihany dia efa niverina nahazo herinaratra avokoa ny mpanjifan’ny Jirama tao Mangarano II sy Tsarakofafa avaratra.
Isany miverina mahazo vahana eto Toamasina ny halatra tariby- na herinaratra, isan’izany ilay tranga niseho farany teo izay nahavery tariby na herinaratra 400 m amin’ny tamba-jotra Volobe Toamasina II sy Toamasina renivohitra, ka ny sabotsy alina nifoha ny alahady teo indray dia niverina izany halatra izany; izay mbola tamin’ity tamba-jotra ity hatrany. Nidina nijery ifotony ny zava-nisy ny polisin’ny FIP sy ny ekipan’ny Jirama Toamasina, ka nandritra izany no nahatraran’izy ireo taribin-kerinaratra efa tapatapaka mirefy 400 m eo ihany koa, izay niaraka tamin’ireo fitaovana nangalarana azy ireto. Raha nifanenjehan’ny FIP tany anaty ala ireto andian-jiolahy nanao izany, dia tsy nisy aloha ny tratra, ka mbola mitohy ny fikarohana.
Ankoatra izay, dia efa tonga eto Toamasina tamin’ity faran’ny herinandro ity ny ekipan’ny talen’ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny foiben’ny Jirama, hanao fanadihadiana ilay mpiasan’ny Jirama tratra tamin’ny halatra herinaratra sy mbola nivarotra izany tamin’ireo trano mahery ny 60 manodidina azy tao Ambalamanasy. Miankina amin’ity ekipa ity ny ho- aviny eo anivon’ny Jirama.
Malala Didier