- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Famonoana an-dRachiky, nisy roalahy voasambotra

Toamasina : Famonoana an-dRachiky, nisy roalahy voasambotra

Taorian’ny fikasan’olona namono ilay mpanan-kanto Ra-ckiky teto Toamasina dia nitohy hatrany na somary nangina aza ny nanaovan’ny mpitandro ny filaminana ny fikarohana ny marina nataony. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana nisahana ny fikarohana dia nisy tovolahy roa voasambotra izy ireo ankehitriny izay voaroiroy isany nandray anjara tamin’iny famonoana tsy nahafaty ny mpanan-kanto Ra-Ckiky teto Toamasina iny, dia ingahy Romain 39 taona avy any Vatomandry, sy Ravony 25 taona avy ao Amorondranon’i Fenerivo atsinanana, izay samy manao asa mpitondra posy indrindra ny alina. Mbola mifamahofaho be ihany anefa ny vaovao mikasika ny tena antony nahatonga ilay famonoana, satria misy ny milaza fa resaka valifaty politika noho ny hira noforon’ity mpanan-kanto ity izay nahitsy fiteny sy milaza ny marina ny antony; teo koa anefa ny vaovao hafa milaza fa resaka lonilonim-piaraha-monina tsotra fotsiny iny zava-nisy; tsy mbola namoaka ny tena marina ireto voaroroy voasambotry ny mpitandro ny filaminana ireto, fa miankina amin’ny fidinana ifotony ataon’ny mpitandro ny filaminana manao ny fanadiadiana miaraka amin’ireto voaroiroy any Tsarahonenana, toerana nitrangan’ilay famonoana sy ipetrahan’izy roa lahy ireto, no tena hahalalana ny marina ny anton’izao tsatok’antsy marobe natao tamin’ity mpanan-kanto nikasana ny hamonoana azy ity saingy tsy nahafaty azy ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici