- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna II : Trano 220 no may kila forehatra, vokatry ny dorotanety.

Maevatanàna II : Trano 220 no may kila forehatra, vokatry ny dorotanety.

Trano 220 kila forehitra, vokatry ny dorotanety. Tsy nisy noraisina ny entana rehetra tao anatiny. Tao amin’ny fokontany Ambodimanga Betsiboka, Kaominina Maevatanàna faharoa, no nisehoan’io haintrano io, vokatry ny dorotanety no nihitatra, ny Asabotsy teo tokony ho tamin’ny 12 ora mitataovovonana. Araka fanzavana voaray avy amin’ny Kaomandany Kaompany avy eto Maevatanàna, afo nataon’olona amin’ny fandorona tanety no nahatonga  izany, ka izay no nihitatra nitarika ny afo teo amin’ireo trano bozaka nifanakaiky, may tsy nisy noraisina ny trano 220, no hon’ny hetraketrakin’ny  sasany. Niezaka namonjy ny fokonolona sy ny Zandary, saingy tsy nahasakana ny afo, ny rano tsy misy ary 5km miala eo Ambodimanga makany amin’ny reniranon’ny  Bestiboka vao misy rano. Fianakaviana 1000 mahery no tsy manan-kialofana. Mbola tsy voafaritra ihany koa ny tetibidin’ny zavatra may. Ny Zandary avy eto Maevatanàna moa no misahana ny fandihadiana makasika ity haintrano ity.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici