- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoarano : Nidiran'ny jiolahy tanaty fiarany ilay vazaha

Soarano : Nidiran’ny jiolahy tanaty fiarany ilay vazaha

Poa toa izay dia nanjavona ny solosaina tsara tarehy sy avo lenta izay nipetraka tamin’ny seza aorian’ny mpamily. Amin’ny andro antoandrobe, ny talata teo no nitranga izany. Tokony ho tamin’ny telo ora ny talata hatrany, ao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, no nisy namoha tampoka ny varavaran’ny fiara Toyota Rav 4 izay nentin’ny vazaha vavy. Ny tsikariny dia mbola zaza avokoa ny ankamaroan’ireo mpandroba. Zaza, saingy efa matihanina amin’ny fandrobana fiara, raha ny fanamarihana hatrany. Ny antony dia ny fahitàna fa avy hatrany dia niparitaka ireo zaza ary tsy hita intsony izay henjehina taorian’ilay halatra. Vetivety dia nanjavona ireo olona kely be dia be. Efa mateti-pitranga ihany ny tsy ampy taona manendaka eto an-drenivohitra. Misy manofana izy ireo ary koa maniraka. Efa nisy fotoana tratran’ny polisy ireo mpiahy ireo zaza nania. Isan’ny olana iray koa ny fandemen’ireo ny sain’ny zaza fa tsy mijanona ela any am-ponja izany izy ireo rehefa tratra. Misy ampahany marina ihany satria na ny sampana fitaizana zaza nania aza dia toa tsy dia tena fantatra loatra intsony ny fiasany. Vokatr’izany rehetra izany, feno zaza mpamerin-keloka eto an-drenivohitra. Efa voafaritra koa ny asan’ireo rehefa miha-lehibe…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici