Efa mihabiby ny olona sasany ankehitriny raha ny zava-nisy tao Toliara afak’omaly hariva ity no zohina. Zava-doza fa zazamenavava vao nateraka novonoina tamin’ny rano mangotraka, avy eo nariana rehefa avy nofonosana tao anaty « sachet ». Ramatoa iray avy nivarotra trondro, handeha hamonjy fodiana sendra nandalo no nahita harona iray teo amoron-dalana tsy lavitra kirihitra alan-draketa, tokony ho tamin’ny 6 ora. Nalain’ity renim-pianakaviana manodidina ny 43 taona ity io fonosan’entana, ka rehefa nojereny ny tao anatiny dia zaza menavava nitsovaka masaka may niaraka amin’ny tavonony. Taorian’ny fizahana natao no nahafantarana fa novonoina tamin’ny fomba mamohetra tamin’ny alalan’ny rano mangotraka ity zazavavy kely vao avy nateraka ity. Hatreto raha ny vaovao voaray, dia tsy mbola fantatra kosa izay ray aman-dreny nahavanon-doza.
Eric Manitrisa





