- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Fanafihana ny tranon’I chef Mbinina, olona telo nosamborina

Ambatolampy : Fanafihana ny tranon’I chef Mbinina, olona telo nosamborina

Nitrangana fanafihana mahery vaika ny alin’ny zoma lasa teo, tao Andohafarihy, Ambatolampy. Jiolahy maromaro niaraka tamin’ny basy, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary no nanafika ny trano nisy ny ray aman-drenin’I chef Mbinina. Na dia nirefodrefotra aza ny basin’ireto olon-dratsy dia tsy nisy naninona ireo olona tao an-trano, saingy vola manodidina ny efatra tapitrisa ariary teo ho eo kosa no very, niaraka tamin’ireo fitaovana sy entana sarobidy tao an-trano. Tsy niandry ela fa ny tamin’iny faran’ny herinandro teo ihany dia efa nisy ireo olona noahiahiana ho isan’ireo mpanafika no voasambotra. Telo izy ireo, ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Raha ny zava-nitranga dia ny alina, tamin’ny olona efa tapi-mandry, no tonga tao amin’ity trano ity ireo mpanafika. Tamin’io fotoana io anefa, samy tsy nisy tao na ilay mpandraharaha na ireo ray aman-dreniny. Olona natao hiambin-trano no tao tamin’io fotoana io. Niezaka ny nanohitra ireto fahavalo ihany ireo voatafika tamin’izay fotoana izay, ary nisy tamin’ireo olon-dratsy mihitsy aza no naratra vokatr’izay. Saingy tsy afa-nanoatra eo anatrehan’ny basy izay napoakan’ireto olon-dratsy. Araka izany dia nahavita ny asa ratsiny ihany izy ireo ary afa-nitsoaka, nitondra ilay namany naratra. Ny ampitson’io fanafihana io ihany dia tonga tany an-toerana ny tompon-trano, ary nampiantso alika mpitsongo-dia avy hatrany. Nijanona teo amina trano iray ny alika, ka nisy olona roa tamin’io trano io avy hatrany dia nosamborina nanaovana famotorana. Fa  tetsy andanin’izay dia voalazan’ny loharanom-baovao fa nisy olona ihany koa izay efa noahiahian’ny tompon-trano ho tao ambadik’izao fanafihana izao, no efa nametrahana fitairanana. Nosamborina avy hatrany ihany koa io olona io ary nanaovana famotorana. Omaly folakandro no vita ny famotorana azy ireo teny anivon’ny biraon’ny zandary ary nentina natolotra avy hatrany teny anivon’ny Fampanoavana izany. Mbola mitohy kosa moa ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa izay nanantanteraka ity fanafihana mitam-piadiana ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici