- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidrapeto : Raikitra ny vaky fasana, voatery nanao famadihana tsy satry

Ambohidrapeto : Raikitra ny vaky fasana, voatery nanao famadihana tsy satry

Azo nisaina tamin’ny ratsan-tànana sisa ny razana tavela tao am-pasana.

Tetsy Ankadimanga Ambohidrapeto no nisehoan’ilay halatra taolam-paty. Ny harivan’ny alarobia no nisy nahatsikaritra fa nidanadana ny varavaram-pasana. Teo no nampandrenesina ny fokontany ary nanao ny fijerena ifotony. Vao nandre ny zava-nisy ny tompom-pasana, dia tonga teny an-toerana ihany koa ary niantso ny zandary. Koa satria efa maizina ny andro ny alarobia teo, dia tapaka fa omaly no nanaovana ny fijirihana tanteraka ny fasana. Tsikaritra ary fa razana 36 no lasan’ireo jiolahy ny taolany. Tsy nisy afa-tsy karandoha sisa tavela tao. Nisavoritaka tanteraka ihany koa ilay fasan-drazana ary niparitaka tetsy sy teroa ny lamba sy ny karandoha sisa tavela. Enina tamin’ireo razana rehetra tao anatiny sisa no mba tsy voakitika. Mazava hoazy fa razana mbola lena izany ka tsy nilain’ireo olon-dratsy. Manoloana ny zava-nitranga, ankoatry ny alahelo sy ny hasorenana, dia nanapa-kevitra ilay fianakaviana ny nanao ny famadihana… tsy ara-potoana. Nofonosina ny razana sisa tavela dia naverina tao am-pasana. Izany no niainan’ny fianakaviana iray vokatry ny hetraketraky ny jiolahy mpangalatra taolam-paty. Ny fanadihadiana izay efa nandeha rehetra dia nanamafy fa resa-be fotsiny ny hoe misy mividy lafo ny taolam-paty. Betsaka anefa ny roboka amin’izany ary tsy miraharaha intsony ny kolontsaina malagasy izay manome lanja lehibe ny razana sy ny taolam-balo. Mijaly ny ankamaroan’ny Malagasy, satria velona efa mitsipozipozy ary maty koa mbola mety misy mangalatra ihany ny razana. Tsy hita anefa izay hatao, satria hatreto, na dia efa nisy aza ny fanadihadiana isan-karazany, dia tsy mety tonga any amin’ireo atidoha mikotrika mihitsy izany ary tsy fantatra rahateo izay tena ilàna ny taolana. Ny siantifika rahateo tsy mba mety misy manome ny heviny, izay mba mety hampazava ny anton’ny halatra ka mba hangalàna fepetra mifandraika amin’izany. Ny tena mahavarina, dia efa tonga tanteraka eto an-drenivohitra izany ny halatra taolam-paty raha tany amin’ny faritra no tena nampisesy izany. Tamin’ity tranga tetsy Ambohidrapeto ity, dia mbola nisy fasana telo ihany koa nandraman’ireo olon-dratsy novakiana, saingy tsy tontosany izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici