- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Fatin-dehilahy hita teo akaikina dabam-pako

Ambodivona : Fatin-dehilahy hita teo akaikina dabam-pako

Rangahy iray, izay manodidina ny 40 taona any ho any no hita faty teo akaikina toerana fanariana fako omaly maraina teny amin’iny faritra Ambodivona iny. Tsy fantatra mazava izay nahazo azy aloha hatreto, raha ny nambaran’ireo manodidina. Karazan’ireny olona tsy manan-kialofana fa nanorina trano “sachet” teo akaikin’ity dabam-pako ireny mantsy izy ireo, ary mikarama an-tselika mibata entana eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse eny. Ny afak’omaly, izany hoe ny alakamisy hariva izy mbola hitan’ireo mponina nivezivezy sy nikarama teny amin’ny manodidina. Omaly maraina anefa dia efa vatana mangatsiaka sisa no nivalampatra tao anatin’ireo korontana baoritra sy “sachet”, izay mba nataony ho hany fonenany. Ireo olona mahafantatra azy no miezaka manafy lamba ny vatany. Ny somary nahagaga teny an-toerana dia voalaza fa efa tamin’ny maraina tany ho any, araka ny nambaran’ireo mponina no fantatra fa namoy ny ainy ity rangahy ity. Ny antoandro anefa dia mbola io ihany ilay razana fa tsy nisy naka, sy toa tsy nisy mpiraharaha izany. Marihana, hoy ny mpitandro filaminana iray teny an-toerana, fa efa hatramin’ny maraina no nantsoina ny avy ao amin’ny Bmh haka ny razana, saingy hatramin’io ora nandalovanay teny an-toerana io dia mbola tsy tonga izy ireo. Izany hoe adim-pamantaranandro maro no efa nitanina andro teo ilay razana, kanefa dia toerana isan’ny be olona mifamezivezy iny toerana iny. Amin’ny fotoana fisian’ny valan’aretina toy izay mianjady eto amintsika izao no tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy ny fisiana olona maty, indrindra fa hoe tsy fantatra mazava izay anton’ny nahafaty ilay olona. Fantatra kosa, araka ny fitantaran’ireo mponina teny amin’iny faritra iny hatrany fa efa nisy olona tonga nanondraka fanafody ny manodidina teo, saingy nijanona hatreo ihany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici