Nofidina manokana nandevenana ireo olona matin’ny pesta teto Toamasina, ny toeram-pandevenana ao Manangareza, nefa amin’ny maha-fasana ho an’ny daholo be azy izay nantsoina ihany koa hoe “cimetière d’indigène” tamin’ny fotoanan’ ny fanjanahan-tany, dia saika maro ny Malagasy teto Toamasina no milevina sy manana havana milevina ao. Ny fetin’ny maty izay fantatry ny vahoaka eto Toamasina hoe “fête des morts” dia isan’ny fety tena ankafizin’ny olona, satria mandritra ny fanomanana ny fety rehetra dia fotoana iray ifankahitan’ny mpianakavy, fahatsiarovana ny zava-bitan’ny maty, ary fomba ampisehoana amin’ireo efa nodimandry fa isan’ny fianakaviana ihany izy ireo na efa maty aza. Mandritra ny fety, dia ny fanadiovana ny asana, fanateram-bonikazo, ary tsy adino ao anatin’izany ny zava-pisotro samy hafa indrindra fa ny misy alikaola. Sahiran-tsaina anefa izao ireo manana ny havana maty ao amin’ity fasana Manangareza ity, ka hanaovan’izy ireo antso avo. Nanazava anefa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Talata Michel, sy ny prefen’i Toamasina, Benandrasana Cyrille, ary ireo mpitandro ny filaminana mitambatra, fa azon’ny rehetra atao tsara ny mankalaza ny fetin’ny maty manomboka ny 01 novambra izao.
Malala Didier