- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMangasoavina-Maevatanàna : Pastera voatafika, voatoto vody basy, voafira famaky kosa ny ray...

Mangasoavina-Maevatanàna : Pastera voatafika, voatoto vody basy, voafira famaky kosa ny ray aman-dreniny

Tokantrano iray tany amin’ny fokontany Mangasoavina, Kaominina Andriba, disitrikan’i Maevatanàna, no nidiran’ny andian-dehilahy miisa efatra nitondra basim-borona efatra sy antsy ary famaky, ny alin’ny asabotsy teo. Tsy nananan’ireo olon-dratsy antra ilay pasitera tompon-trano, fa nototoiny tamin’ny  vody basy, ka naratra mafy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola namatratra teny amin’ireo ray aman-drenin’ity farany, izay tao an-trano ihany koa, ireto olon-dratsy. Naratra mafy voafira famaky teo amin’ny lohany araka izany ireto olon-dehibe ireto. Nalain’ireo jiolahy ny finday sy ny entana rehetra tao an-trano. Araka ny fantatra dia mpitondra fivavahana iray any ambanivohitr’Ambatondrazaka io notafihan’ny  andian-jiolahy  niaraka amin’ny ray aman-dreniny io. Tombanana ho efa nomanina mialoha ary nokendrena manokana ny trano  ary tsy nisalasala nandaroka sy nandratra ireo malaso. Nirifatra nandositra avy hatrany kosa ireo olon-dratsy, raha vantany vao vita ny asa ratsiny. Naharay antso ihany ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, saingy efa tsy nahatratra an’ireo olon-dratsy intsony.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici