Tena mbola ao anatin’ny fakana am-bavany ireo olona 11 lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny sabotsy alina teo, izay nanimba sy nandoro ilay “Barrage Sanitaire” tao Antsarimasina, vokatry ny tsaho be loatra niniana nalefa tamin’izy ireo, ny eo anivon’ny polisim-pirenena misahana ny raharaha izao. Nanomboka omaly alatsinainy ny fanombohan’ny fakana am-bavany azy ireo, araka ny fanazavana azo. Nisy rahateo ny fivoriana maika nataon’ny OMC notarihan’ny prefen’i Toamasiana Benandrasana Cyrille sy ireo lehiben’ny sampam-pitsarana ary ireo mpitandro ny filaminana omaly maraina mikasika ity raharaha ity. Ny angom-baovao anefa no nahalalana fa mety hivadika ady heloka be vava ny raharaha noho ny fomba nataon’ireo andian’olona ireto sy ireo nitarika azy ireo, tamin’ny fitondran’izy ireo fitaovam-piadiana toy ny antsy lava sy famaky, ary niandahy niambavy, ary mbola nisiana fandrahonana hamono olona ihany koa noho ity tsaho niniana nahely ity ihany koa. Ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny talem-paritr’izy ireo eto Toamasina, amin’ny alalan’ny fanohanana’ny minisiteran’ny fitsarana manana ny fampanoavany eto Toamasina, no mpitory amin’izao raharaha izao. Ka raha ny fahalalana azy izao, mety mbola hiova izany rehefa tonga eny amin’ny fitsarana, dia ny “fanimbana fananam-bahoaka, fandrahonana olona ho faty, fitondrana fitaovanam-piadiana zava-maranitra, ary fanozongozonana ny fahefam-panjakana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka” no heloka manenjika azy 11 lahy ireto.
Malala Didier