Mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana izao ny famakiana fiara. Na io, irony mipetraka eny an-tsisin-dalana na irony anaty fitohanana. Teo anatrehan’izay indrindra, dia fantatra fa nisy ny hetsika nataon’ny pôlisy ka 11 lahy, izay rain-dahiny tanteraka amin’ny famakiana fiara sy fanendahana no voasambotra teny amina faritra maro manodidina an’i Nanisana, Antaninandro, Mascar ary Andravoahangy ambany iny. Ny “iray dia voasambotra teny amin’ny faritr’i Nanisana. Fiaran’olona nipetraka teny an-toerana no novakiany ary nisy nahatsikaritra izany fihetsika izany ka nanao tatitra teny amin’ny fokontany, ary ireto farany avy eo no nampandre ny polisy eny an-toerana ka nalaina tany amin’ny trano fonenany teny Nanisana ihany. Ny iray hafa kosa teny amin’ny Jovena Antaninandro niaraka amin’ny fitaovana toy ny lakile famohana varavarana fiara ary voasambotra teny Ankadifotsy. Eny amin’ny manodidina ny Jovena Antaninandro sy Mascar moa no nolazainy fa toerana fanaovany ny asa ratsiny. Ny telo lahy farany dia tratra nivarotra “batterie” halatra teny Behoririka. Ny fanadihadiana azy ireo no nahafatarana fa nalain’ izy ireo ny “batterie” tamin’ny fiaran’ny mpampiasa azy ka namidiny”, hoy ny fampitam-baovao. Ireo enin-dahy hafa ambiny kosa dia teny amin’iny faritra Andravoahangy ambany iny. “Nifanena tamin’ny polisy nanao fisafoana teny amin’ny Rotsirotsy Andravoahangy rehefa avy nanendaka mpamily sy ny resevera. Efatra no voasambotra teo no ho eo fa ireo indray avy eo no nanoro ny namany izay tra-tehaka teo am-pizaram-bola teo Andravoahangy ihany”. Marihana fa mbola misy amin’izy ireo no tsy ampy taona akory, kanefa dia efa izao rain-dahiny tanteraka amin’ny asa ratsy izao. Omaly izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L