Habibiana indray no nitranga tao Ambohimasina, Ambatondrazaka, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Vehivavy iray 25 taona no hita faty nihantona teo am-bavaravarany. Nahagaga ny maro anefa ny nahità ratra teo amin’ny tanany, nahafahana naminavina avy hatrany fa tsy famonoan-tena no nahazo ity vehivavy ity. Ny vadiny avy hatrany moa no noahiahian’ny rehetra ho tao ambadik’izany vono olona, noezahina naseho ho famonoan-tena, izany. Raha ny angom-baovao azo tokoa mantsy dia miambina tranon’olona teny Ambohimasina teny ireto mpivady ireto. Teny an-dalana anefa dia hitan’ny olona nifamaly izy ireo, ary nitohy hatramin’ny alina. Ny maraina dia io hitan’ny olona nihantona tao an-trano io ilay vehivavy. Tamin’ny famotorana natao, hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana izay nisambotra ilay rangahy, no niaikeny fa izy no nahavita ny heloka. Nentin-katezerana loatra ingahirainy ka notsindrominy tamina vakina tavoahangina labiera ny tanan’ilay vehivavy teny an-dalana. Nony tonga tany an-trano dia mbola nokendainy ihany ary namoy ny ainy nony avy eo ilay ramatoa vadiny. Teo vao raiki-tahotra ny anao lahy ka izao noraisim-potsiny izao. Androany, raha tsy misy ny fiovàna, no atolotra ny fampanoavana ity rangahy nahavita namono ny vadiny ity.
Janus