- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Olona roa niara-maty tao anaty fiandrasam-paty

Toliara : Olona roa niara-maty tao anaty fiandrasam-paty

Olona telo no maty nifanesy tao anatin’ny 24 ora ny talata teo, tany Analamitsapy, Toliara II. Araka ny fampitam-baovao dia lahy antitra iray 75 taona voalaza fa malaza amin’ny filalaovana fanafody gasy, ka matin’ny aretina ny alatsinainy teo, no niantombohany. Nandritra ny fotoana fiandrasam-paty ny alina anefa, dia ramatoa iray sahabo 52 taona eo, izay mpifanila vodirindrina amin’ity lehilahy lehibe ombiasy namoy ny ainy ity, no nindaosin’ny fahafatesana tampoka tany amin’ny misasak’alina tany ho any, ary namoaka zavatra fotsifotsy ny vavany. Mbola tao anaty fiaretan-tory izay hatrany, fa saingy kosa nanodidina tany amin’ny 2 ora naraina tany ho any, dia lehilahy iray hafa avy any Soahazo no maty rehefa avy nisakafo, ary mbola namoaka faroratra fotsifotsy ihany koa ny vavany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici