Nikoropaka ny rehetra raha nahita ny lelan’afo sy setroka nivoaka tamina orinasa iray fanaovana mofo tao Antsenakely ampovoan-tanana Antsirabe, ny talata lasa teo. Ity “boulangerie” ity dia mifanila akaiky amina tobin-tsolika iray lehibe ka nahiana mafy ny mety hitaran’ny afo sy hipoahan’ny tobin-tsolika. Vetivety rahateo dia niely ny afo sy ny setroka ka saika tsy nifankahitana teo amin’ny manodidina ity tobin-tsolika ity. Raha ny fantatra dia afo avy tamin’ny fandrahoan-tsakafon’ireo mpiasa no niandohan’ny firehetana. Voalaza mantsy fa nanao fanitarana ity “boulangerie” ity fotoana vitsivitsy lasa izay ary mbola ao anatin’ny asa fanamboarana tanteraka ny tompon’andraikitra hatramin’izao. Nilaza anefa ny fokontany fa tsy mahalala akory izany fanitarana ataon’ity orinasa karana ity izany. Soa aloha fa tonga aloha ny fiara mpamonjy voina hany tokana eto Antsirabe, izay fananan’ny “groupe socota”, fa tsy toy ny mahazatra tara lava na tsy tonga mihitsy, ka avotra soa aman-tsara ihany ny loza be. Ny kaominina Antsirabe ambonivohitra dia tsy manana fiara mpamonjy voina hatramin’izao nefa dia tanàna lehibe faharoa eto amin’ny Nosy. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny ben’ny tanàna fotoana maro ihany izay fa efa an-dalana ny fahazoana fiara mpamonjy voina, saingy hatramin’izao dia miandry vasoka ny vahoaka. Ny haintrano anefa sesilany raha eto Antsirabe.
Andry N.