- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversPesta eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ho an’ny komitin’ny pesta ny Mictsl

Pesta eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ho an’ny komitin’ny pesta ny Mictsl

Ny talata teo no nanolotra ny fanampiany faharoa , ny komitin’ny pesta ho fandringanana ny valan’aretina pesta eto Toamasina ny orinasa MICTSL, na “Madagascar International Container Terminal Services Ltd”, tamin’ny alàlan’ny talen’ny fitantanana ny mpiasa, Atoa Rabenivo Jean Moïse, sy ny talen’ny  fampitam-baovao sy ny fifandraisana amin’ny fanjakana Rtoa Rakotovao Prisca, izay nisolo tena ny tale jeneralin’ny orinasa izay  nandray ny asany vao haingana. Ny komity notarihan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille kosa no nandray ny fanampiana. Fitaovana mikasika ny fanadiovana ny tanàna sy ny tsena goavana misy eto Toamasina ireto natolotry ny MICTSL ireto, izay nahitana borety, fitaovana fandraofana ny fako sy fanadiovana, ary ranom-panafody famonoana bibikely sy otrik’aretina. Isany ampiasana azy ireo ny fanadiovana ny lakan-drano ao Tanambao III mihazo an’Antanamborizano mivoaka ao Androranga, ny fanadiovana ny tsenan’i Bazary kely sy Ambolomadinika izay tsena be mpivezivezy indrindra eto Toamasina, noho ny fananan’izy ireo ny tsenan’ny tantsaha. Tsy vitan’ny fanolorana ireto fitaovana ireto ihany no natolotry ny orinasa MICTSL, fa teo koa ny fiantohana ny solika ireo fiara vaventy hitaona ireo loto ho lany amin’ny fanadiovana atao, sy ny fiantohana ny sakafon’ireo mpiasan’ny fahasalamana manao ny fanaraha-maso ara-pahasalamana amin’ny lalam-pirenena faha-02 sy faha-05 ary ny ao amin’ny lakan-dranon’i Pangalana. “Orinasa miaina ao anatin’ny fiarahamonina misy azy ny orinasa MICTSL, ka izay manjo ny fiarahamonina, dia manjo anay koa. Manana adidy noho izany izahay miara-miasa amin’ny fiarahamonina indrindra valan’aretina ratsy ny misy eto amintsika izao, ka ilaina ny fiarahan’ny daholo be amin’ny fandringanana azy”, hoy Atoa Rabenivo Jean Moïse. Nambaran’Atoa Benandrasana Cyrille kosa, fa “raha miara-mientana toy izao ny rehetra dia inoana fa tsy ho ela intsony dia horesahintsika miaraka ny pesta”.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici