Samy nankalaza an-kalalahana ny fetin’ny maty izay isan’ny fety goavana ho an’i Toamasina ny fianakaviana manana ireo maty notsarovana tamin’ireo toeram-pandevenana telo, dia ny fasam-bahiny, ny toeram-pandevenana Manangareza ary ny toeram-pandevenana Marokarazana. “Azon’ny vahoaka tsara ny mankalaza ny fetin’ny maty amin’ny fanaterana voninkazo sy fanadiovana ireo fasana, saingy voarara kosa ny fanofana azy ireny ho fiarovana ny daholo be amin’ny pesta, indrindra tao Manangareza izay toerana nandevenana ireo matin’ny pesta nandritra ny valan’aretina teto Toamasina”, hoy ny prefen’i Toamasina no lehiben’ny komitin’ny pesta, Atoa Benandrasana Cyrille. Vokatra izay, dia tsy nanova ny fomba amam-panaon’ny vahoaka eto Toamasina mankalaza ny fetin’ny maty ny valan’aretina pesta, fa nahazo ny fahatsiarovana sahaza azy avokoa ireo maty na tsy omaly avokoa aza no nankalaza ny fetin’ny maty noho ny fifandaminana ny mpianakavy. Ny volana novambra raha teo ho an’i Toamasina dia fankalazana ny fetin’ny maty avokoa. Ankilan’izany, dia mitaraina ireo mpivarotra voninkazo sy fahatsiarovana samy hafa mandritra ny fetin’ny maty eto Toamasina, nahitana fihenana hatrany amin’ny 40% be izao mantsy ny fanjifan’ny olona izany. Antony araka ny nambaran’izy ireo, dia ny resaka pesta ka maro ireo olona matahotra hamonjy fasana indrindra ny ao Manangareza nandevenana ireo matin’ny pesta. Ankoatra izay dia nameno ireo toeram-pandevenana telo teto Toamasina ireo mpitandro ny filaminana, nanao fanaraha-maso ny fampanajana ny fepetra napetraka, sy nametraka ny filaminam-bahoaka noho ny fetin’ny maty tsy misaraka amin’ny zava-pisotro mahamamo.
Malala Didier