- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversNamorona Mananjary : Mirongatra ny halatra jirofo ataon’ny jiolahy mitam-piadiana

Namorona Mananjary : Mirongatra ny halatra jirofo ataon’ny jiolahy mitam-piadiana

Mifanitsa-kitro ny olona avy amin’ny lafivalon’ ny Nosy, mandraharaha jirofo any amin’ny Distrikan’i Mananjary ankehitriny. Tsara ny vokatra tamin’ity taom-piotazana ity, torak’izany koa ny vidin’ny jirofo 15.000 ariary ny kilao, ary mety mbola hiakatra izany. Manoloana ny fiakaram-bidin’ny jirofo, dia mirongatra izay tsy izy amin’izao ny halatra jirofo am-potony ataon’ny olon-dratsy any amin’ny Kaominina ambanivohitry Namorona. Misy amin’ireo jiolahy mihitsy sahy manafika miaraka amin’ny fitaovam-piadiana maka an-keriny tanin-jirofon’ olona. Lehilahy iray tompon-jirofo no maty tsy tra-drano teny an-dàlana raha niaro ny fananany. Araka ny tati-baovao voaray, dia an-dàlam-piverenana avy tao Mananjary hihazo an’i Namorona ity rangahy ity no nisy nanafika. Manoloana ny fitarain’ny mponina amin’ny firongatry ny herisetra, dia nilaza kosa ny Ben’ny tanàna any an-toerana, fa tsy miala amin’ny taom-piotazana jirofo tahaka izao ny disadisam-pianakaviana sy ny valifaty.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici