- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversCEG Ankatafana Mananjary : Milandina manoratra amin’ny tany ny ankamaroan’ireo mpianatra

CEG Ankatafana Mananjary : Milandina manoratra amin’ny tany ny ankamaroan’ireo mpianatra

Mitaraina ireo mpianatra an-jatony ao amin’ny CEG Annexe Ankatafana ZAP Tsaravary any amin’ny Cisco Mananjary fa maro amin’ireo mpianatra no milandina manoratra amin’ny tany noho ny tsy fisian’ny tabilio. Araka ny fanazavana voaray dia nisy olon-dratsy nanapotika sy nangalatra ny tabilio kely sisa fananan’ny sekoly tsy potika na simba tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. Nandritra ny Fialantsasatra lehibe farany teo iny no nisehoan’ity hetraketraka ity. Mangataka fanampiana amin’izay tsara sitra-po sy malala-tànana ary amin’ny fanjakana foibe araka izany ireo mpianatra 170 mahery milandina an-tany, sy ny Ray aman-dreny ary ireo mpampianatra ao amin’ity sekolim-panjakana ity mba hanome dabilio, fa mafy amin’ireo mpianatra ny zava-misy iainany ankehitriny, kanefa te-ho tafita ireto ankizy dia tsy maintsy miaritra sy mihafy. Teo aloha kely teo dia nindrana tao amin’ny EPP ity CEG Annexe ity, kanefa noho ny hamaroan’ireo mpianatry ny EPP maherin’ny 800 isa izay zato monja ny dabiliony, dia tsy afaka mampindrana ny CEG intsony araka izany ny EPP. Araka ny tati-baovao voaray, noho ny ankiviana misy dia tsy vitsy amin’ireo mpianatra no tsy miverina an-tsekoly intsony fa manampy isa an’ ireo ankizy mivangabao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici