Tsy mitsitsy ny mpitandro ny filaminana ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny ady amin’ny asan-dahalo. Nahazoam-bokatra ny hetsika nataon’ny Zandary tany amin’ny Kaominina Tsararano, raha ny fanazavana avy tany an-toerana. Nisehoan’ny asan-dahalo tany amin’ny faritr’ Ambatoboeny. Nentina nandalo namakivaky ny tananàn’i Tsaramandroso ireo omby roa, naka toerana nahafahana nifandray an-telefaonina sy nampandre ny mpitandro ny filaminana kosa ireo mpiarakandro nahita an’ireo malaso. Niainga avy hatrany ny fanarahan-dian’ny mpitandro ny filaminana telolahy, niampy ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra ireo dahalo ireo, fa vao niala kilaometatra vitsy monja ny tanàna, tafiditra ny baibohon’Antsohery, dia efa tratran’ireo mpanara-dia. Raikitra ny fifandonana ary naharitra izany satria nanana fitaovam-piadiana koa ireo dahalo. Raha ny vaovao azo avy amin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandary eto Maevatanàna, dia lavon’ny balan’ny Zandary ireo malaso roa efa rain-dahiny any amin’iny faritra iny. Tratra niaraka tamin’izany koa ny bala roa sy ny basy poleta iray vita gasy fampiasan’ireo jiolahy lavo ireo. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby. Tato ho ato, raha ny fanampim-baovao hatrany, dia nilamindamina ny halatr’omby tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, miasa andro aman’alina mantsy ireo Zandary amin’ny fisafoana sy ny fijerena ireny toerana ahitana kizo ireny. Manao antso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka koa izy ireo, satria ahitam-bokatra hatrany io fifanampian’ny roa tonta io.
Ratantely